Oniversite efatra manakaiky vahoaka : Nametrahana ofisim-panadinana bakalorea

Efa misahana ny fikarakarana manontolo ny fanadinana bakalorea ireo oniversitem-paritra miisa efatra.

Anisan’ny fanatsarana natao tamin’ity taona ity ny fametrahana ofisim-panadinana bakalorea eny amin’ireo oniversite manakaiky vahoaka efatra: Itasy, Vakinankaratra, Sava ary Analanjirofo. Mahaleo tena tanteraka amin’ny fikarakarana ny fanadinana ireo oniversite ireo. Nanamafy ny tomponandraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa mizotra araka ny tokony ho izy ny fa­nomanana rehetra. Iarahan’ny minisitera sy ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny manatanteraka izany, hiantohana ny fahatomombanan’ny fanadinana manerana ny Nosy.
Miisa 233 538 ireo mpiadina hiatrika ny fanadinana bakalorea 2026, manerana an’i Madagasikara, raha 222 330 kosa izany tamin’ny taona 2025.
61 997 ny mpiadina eto Antananarivo, ao amin’ny fampianarana ankapobeny ny 57 442, raha avy amin’ny sampana teknika ny 4 555. Mahatratra 10 ny ofisim-panadinana bakalorea miaraka amin’ireo efatra vaovao.
Ny sokajy C no manana mpiadina vitsy indrindra, 1 576; raha ny sokajy A2 no ahitana mpiadina maro, mahatratra 133 497. Any Sava, telo monja ny mpiadina ho an’ny sokajy C, raha enina any Analanjirofo.
Miara-miasa amin’ny mpitandro filaminana ny minisitera isahanana ny fandriampahalemana. Misy ny lamina napetraka samihafa. Tanjona ny fanadinana, toy ny tamin’ny taon-dasa, tsy misy hosoka na laza adina mivoaka mialoha ny fotoana.
Entanina ny mpianatra hiomana satria rehefa tsara fiomanana tsy alaim-panahy hanao zavatra tsy araka ny lalàna ka miteraka olana. Manana adidy koa ny ray aman-dreny hanohana ny zanany sy ho mailo amin’ny filazana fa misy laza adina nivoaka eny amin’ny tambajotra, hoy ny tomponandraikitra.

Vonjy

Partager sur: