Sakafo hohanintsika : Tsy tokony hampidi-doza ny aina

Niatrika trangana fanapoizinana ara-tsakafo izay nisy fiantraikany lehibe tamin’ny vahoaka i Madagasikara, taona maro nisesy izay. Tsy mbola hadinon’ny maro ilay tranga teny Ambohimalaza, nahafaty olona efa ho 50.
Midika izany fa mbola maro ny fanamby sedraina amin’ny fiarovana ara-pahasalamana ny sakafo ohanina. Zava-dehibe ny fiantohana ny fahadiovana sy ny fiarovana ara-pahasalamana ny sakafo ka antony nanaovana ny fanofanana ny Drafitrasa stratejika nasionaly (PSN-SSA).
Mikendry ny hametraka ireo laharam-pahamehana nasionaly momba ny fiarovana ara-pahasalamana ny sakafo sy hanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo sehatra rehetra voakasik’izany ny drafitrasa ialana amin’ny fanapoizinana ara-tsakafo mitranga etsy sy eroa.
Mitarika hatramin’ny fahafatesana haingana ny fanapoizinana ara-tsakafo rehefa tsy voavonjy ara-potoana. Maro ny antony: ny tsy fahampian’ny rafitra fanaraha-maso ara-pahasalamana, ny tsy fanarahana ny fomba fidiovana sy fikirakirana sakafo araka ny tokony ho izy, ary ny fahalemen’ny rafitra fanaraha-maso sy fampitandremana mialoha.

Tatiana A

Partager sur: