Notafihin’ny jiolahy mirongo basy ny tokantrano iray tany Tsivatrinikamo, distrikan’Antsirabe, ny harivan’ny alatsinainy, tamin’ny 7 ora. Niditra tao an-trano ireo jiolahy ary efa teo an-tokotany no nisy ny fifampitifirana. Tapaka ny herinaratra nandritra izany. Nanapoaka basy indroa izy ireo, ren’ny mponina teny amin’ny manodidina. Vokany, voatifitra teo amin’ny lohany ny tovolahy iray 16 taona ka maty tsy tra-drano. Nivoaka tany an-tokotany hanome sakafon’alika izy no nifanojo tamin’ireo jiolahy ka voatifitra. Notsenain’ireo tsy mataho-tody tamin’ny basy, tao anaty fiara, teo am-pidirana ny vavahady koa, ny reniny. Nentina nihazo ny hopitaly ireo naratra, saingy tsy avotra intsony ilay tovolahy. Mbola manaraka fitsaboana ny reniny. “Nisy nanapaka ny tariby mitondra herinaratra iray andro mialoha io fanafihana io”, hoy ny sefo fokontany Tsivatrinikamo, Rakotofiringa Richard. “Tombanana ho fanafihana efa maty paika sy nomanina mialoha iny niseho iny”, hoy ihany izy. Mbola tsy voafaritra mazava ny vola very. Efa eo am-pelatanan’ny polisim-pirenena ny tohin’ny fanadihadiana.
Mino




