Hotontosaina ny zoma 3 jolay izao ny fandevenana an’i Billy Rakotomalala, ilay mpamily fiara matin’ny lozam-piarakodia teny amin’ny lalan’ Imerinkasinina, teny Tsarafonenana, fokontany Ambatofotsy, kaominina Ambohimalaza. Tsy mpanamory Rallye velively izy, araka ny fanazavan’ny fianakaviany fa mpankafy ny tontolo mekanika. Anisan’ny nirona tamin’ny fankafizana fiarakodia izy ary nahasarika namana maro tamin’io tontolo io. Raha tsiahivina, nijery ny fifaninanana fanamoriana fiarakodia teny Imerinkasinina izy mivady, ny alahady 28 jona teo. Hamonjy fodiana, niala fiara nijanona tamin’ny sisin-dalana izy ireo, kanjo nitarika tamin’ny loza. Nidina tamin’ny sisin-dalana ka nivadika intelo ny fiara nisy azy ireo. Naratra mafy izy taorian’io loza io. Niezaka nanavotra azy ireo olona nanatri-maso ary nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana anivon’ny hopitaly HJRA io mpankafy ny tontolon’ny mekanika io. Tsy tana anefa ny ainy ny alatsinainy 29 jona maraina. “Tsy mbola nanan-janaka izy saingy efa manambady”, hoy ny fanazavana voaray teo anivon’ny fianakaviany.
Tsiferana R.




