Noraisina ofisialy, ny alatsinainy teo, ireo Malagasy mpikatroka niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Kick boxing. Nambara ofisialy ihany koa fa handray ny “World Cup” 2027 i Madagasikara.
Taorian’ny nahazoan’ny atleta malagasy vokatra tsara, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Kick boxing, natao tany Kameronina, ny herinandro lasa teo, nisy ihany koa ny vaovao tsara nentin’ny delegasiona malagasy. Fantatra fa handray ny “World Cup 2027” i Madagasikara, taorian’ny dinika nifanaovana tany an-toerana. Mialoha izay, hiatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, ny volana septambra izao, any Italie sy ny “World Cup” any Egypte, ny volana desambra izao, i Madagasikara. Nampanantena ny federasionina fa tsy maintsy handefa solontena na dia mafy aza ny fanomanana sy ny hoenti-manana amin’izany. Nisy ny lanonana nandraisana ireo Malagasy mpikatroka nitondra avo ny voninahi-pirenena, omaly, teny amin’ny Nova Hotel Ivato. Nanotrona izany ny filoham-boninahitry ny federasionina malagasy, kick boxing, ny minisitra Lylison Rolland de René. Ity farany izay nidera sy nankasitraka ny ezaka nataon’ny atleta, ny finiavan’ny federasionina ary ny fikirizana nataon’ny ekipa teknika notarihan’ny Maître Rasoanaivo André Kelly. Nofaranana tamin’ny fizarana mari-pankasitrahana avy any amin’ny mpanorina ny taranja Kick boxing, ny Maître Kelly, ny lanonana. Nahazo izany avokoa ireo ekipa teknika rehetra, ny tale teknika ary ireo atleta.
Mi.Raz




