Fifandirana indraindray. Maty notsindromin’ny mpiara-miasa taminy, tamin’ny antsy, ny lehilahy iray, tetsy Maroroho Tsimbazaza. Niboraka ny tsinainy, izay nitarika tamin’ny fahafatesany.
Maty notsindromin’ny mpiara-miasa taminy tamin’ny antsy tetsy amin’ny Annexe Aceem Maroroho Tsimbazaza, afakomaly hariva, tamin’ny 7 ora sy sasany, ny lehilahy iray 50 taona.
Vavahady nidobodoboka no henon’ny mponina teny akaikin’ny toerana nitrangan’ny loza. Nikoropaka ary nandeha nijery ny zava-misy ny renim-pianakaviana iray izay nivarotra teo akaikin’ny toerana, taorian’izay. Lehilahy roa izay mpiara-miasa no tazany tao anaty vavahady vantany vao tafiditra izy, raha ny fanazavana voaray. Hita nitsirara sy nihoson-dra tamin’ny tany ny iray tamin’izy ireo. Nijoro sy nitazona antsy teo akaikiny kosa ny lehilahy iray faharoa. «Nanontaniako ilay namono hoe maninona izy no halatsa-dra tahaka izao?», hoy izy nitantara. Tsy namaly anefa ilay lehilahy fa nandray ny kitapo fitondrany ary lasa nivoaka ny vavahady. «Tsy nieritreritra aho hoe efa maty ilay olona ka tsy nitazona ilay nahavanon-doza», hoy ihany izy nanazava. Nampandre ny tomponandraikitra sy ny polisim-pirenena izy taorian’izay. Tsy niandry ela fa nidina ifotony nijery ny zava-misy izy ireo vantany vao nahazo antso. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ilay lehilahy, raha ny fizahan’ny manam-pahefana ny razana. Nahitana tsindron’antsy teo amin’ny takibany ary niboraka tanteraka ny tsinainy.
Nifanditra indraindray
Taorian’ny tranga, niroso tamin’ny fanadihadiana ny polisim-pirenena. Voasambotra ilay lehilahy nahavanon-doza ary notanana atao andrimaso eny amin’ny biraon’ny polisy.
Araka ny fanadihadiana nataon’ny polisy tamin’ireo olona akaiky azy, efa niasa tao amin’ny securite CTS Manakambahiny efa ho 10 taona io lehilahy maty novonoina io. Roa taona teo izy no nifindra niasa teny amin’ny Annexe Aceem Maroroho. Mipetraka sy monina eny Ankazotoho Anosimahavelona izy, saingy milaza fa mandeha any Ambohitrimanjaka, tanindrazany foana rehefa avy miasa. Ankoatra izay, vao telo volana no niasa tao amin’io toeram-piasana mahakasika ny asa fiambenana io ilay lehilahy tompon’antoka tamin’ny vono olona. “Renfort” no tena anjara asany amin’izany. Tsy mbola nahitana fifamaliana teo amin’izy roa tonta ireo, raha ny fanazavan’ny mpiara-miasa taminy hatrany. Somary misy fifandirana kely ihany indraindray, saingy tsy nampoizina ho niafara tamin’izao vono olona izao. Nambaran’ izy ireo ihany fa somary misy toetra sy tsy dia manaja ny mpiara-miasa aminy io maty io.
Mino




