Hitohy ny fisafoana, atoandro sy alina, ataon’ny ekipan’ny mpitandro filaminana mivondrona amin’ny OMC, manoloana ny firongatry ny asan-jiolahy ao Toamasina Renivohitra. «Efa misy olona hanaovana fanadihadiana eo anivon’ny polisim-pirenena manoloana ny tranga famonoana ilay zazavavy 12 taona tao Mangarivotra, ny sabotsy 27 jona lasa teo », hoy ny fanazavan’ny tonian’ny fampanoavana anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao an-toerana. Anisan’ny nandray anjara mivantana tamin’ny vono olona tamin’io fotoana io ilay voatazona ary mitohy ny famotorana. Ankoatra izay, mitohy ny fanangonam-baovao ataon’ny manam-pahefana ao Toamasina manoloana ny fandrobana lelavola 4 tapitrisa Ar izay niseho herinandro vitsy lasa. Raha tsiahivina, raim-pianakaviana iray manana toe-tena varira tsy hita popoka nanomboka ny 20 jona lasa teo. Monina ao Suzemex, kaominina Toamasina II io olona io, saingy tsy fantatra ny olona naka azy. Miasa eo anivon’ny tetikasa lehibe iray ao amin’ny Faritra Atsinanana izy, araka ny angom-baovao, saingy tsy re feo sady tsy hita hatramin’ny fotoana nanoratanay. Manao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana ny fianakaviany amin’ny fikarohana io raim-pianakaviana tsy hita io.
Sajo




