Tsy latsaky ny 10 ny tranga filazana fikarohana mahakasika zaza very teto Analamanga, tato anatin’ny tapa-bolana. Naparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera avokoa izy ireny mba hifanampiana amin’ny fikarohana. Nahitana ankizy, tanora ary olon-dehibe izany. Betsaka indrindra amin’ireo ny fahaverezana ankizy sy tanora manodidina ny 4 hatramin’ny 31 taona. Nisy tamin’ireo no hita faty, andro vitsy na maro taorian’ny tsy fahitana azy. Izay anisan’ny mampiroroha saina ny ray aman-dreny.
Maro ny antony mahatonga ny fahaverezan’izy ireny, amin’ny ankapobeny. Tafiditra ao anatin’izany ireo ankizy sy tanora miala sakana ka mitsoaka miala ny tranon’ny ray aman-dreniny. Misy koa ireo mifamaly na tsy te hofehezina intsony fa te hahaleo tena. Eo koa anefa ireo misy maka ankeriny, amin’ny alalan’ny fanambatambazana zavatra sy vola na kilalao amin’ny endriny maro. Betsaka indrindra tamin’ireo fitarainana azo ny mahakasika ny fakana ankeriny. Manoloana ny tranga fahaverezan-janaka, tokony hampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana ny ray aman-dreny raha vao misy ny tranga tahaka izany mba tsy hahataraiky ny fikarohana, raha ny fanazavana avy amin’ny polisim-pirenena. Hanao fanambarana mahakasika ireo tranga ireo moa ny fitondram-panjakana, anio, raha tsy misy ny fiovana. Izay ahitana ny polisy sy ny zandary, ny eo anivon’ny fitsarana ary ny manampahefana maro eto amin’ny firenena.
Mino




