Dian-java-maranitra efatra hita tamin’ny fatin-dehilahy iray teny Amboanjobe, omaly. “Nalan’ny olon-dratsy ny taovany”, hoy ny mpitandro ny filaminana.
«Voatsatok’antsy ny vatany, nahitana dian-java-maranitra koa teo amin’ny fony sy ny tendan’io olona io », hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny tobim-paritra Andoharanofotsy, omaly maraina. Niala ny trano fonenany ilay raim-pianakaviana, voalaza fa handeha hivarotra akoho. «Mponina avy ao amin’ny tanàna atao hoe Antsahabe ity raim-pianakaviana ity », araka ny loharanom-baovao. Nahita fatin’olona ny mpandalo teny Amboanjobe ka nampandre ny tomponandraikitra. Voamarina fa lehilahy manodidina ny 40 taona io namoy ny ainy io. Nahitana ra teo amin’ny faritry ny vatany. Niroso tamin’ny fitiliana ny vatana mangatsiaka an’io olona io ny mpitsabo. Nanokatra fanadihadiana kosa ny zandary.
Nesorina ny taova
Voamarina fa tsy nisy taova intsony ilay olona. «Tsy nisy taova, nahitana dian-javamaranitra maromaro koa izy », araka ny fanamafisan’ny lehiben’ny zandary misahana ny famotorana. Noleran’ireo tsy valahara tamin’ny zava-maranitra ny tenda sy ny fon’io raim-pianakaviana io.
Very ny vola 350 000 Ariary
“Nitondra 300 000 ariary masonkarenan’akoho, niampy 50 000 Ariary atao saran-dalana ary ambina vidin’akoho ny talata izy tamin’ny fotoana nialany tao an-trano”, hoy ny fianakaviany. Mitotaly 350 000 Ariary eo izany ny vola very tany aminy. Niala tao an-trano handeha haka entana izy ny alarobia. Mbola nandalo tany amin’ny reniny izy ny atoandron’io, tamin’ny 1 ora sy sasany maraina, ary tsy niverina intsony taorian’izay.
Miaina anaty tebiteby ny ankamaroan’ny mponina eto an-dRenivohitra tato ho ato, taorian’ny fahitana fatin’olona miseholany. Nanaovan’ny fianakaviany ombay mitady, hita saingy efa nofo mangatsiaka ireo lasibatra. Anisan’izany ilay zazavavy vao afaka fanadinana CEPE hita faty tao Amboanjobe Andoharanofotsy, ny fiandohan’ny herinandro teo.
Tsiferana R.




