Basikety 5×5 : Ratsy fanombohana ny Ankoay

Resin’ny RD Congo, tamin’ny isa 82 no ho 62 ny Ankoay, nandritra ny lalao voalohany nataon’izy ireo, omaly, tany Senegal. Ao anatin’ny dingana fahatelo, fifanintsanana amin’ny “World Cup”, basikety 5×5, izy ity.

Niakatra an-tsehatra, omaly, tao amin’ny Kianja Stadium Marius Ndia Ye Dakar, Senegal, ny ekipam-pirenena Ankoay, ao anatin’ny dingana fahatelo, amin’ny fifanintsanana hiadiana ny tapakilan’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, ta­ranja basikety 5×5. Ny ekipan’ ny RD Congo no nifanandrina voalohany tamin’izy ireo ary ratsy fanombohana ny Ankoay tamin’ity. Tsy tafiditra tamin’ny lalao mihitsy ny ekipa malagasy hatrany am-panombohana ary hita taratra tamin’ireo baolina very sy tsy fahamatorana tamin’ny fanoherana nataon’ izy ireo izany. Niezaka nanenjika ry M’Madi sy ny namany, saingy tsy afa-bela tamin’ny fanoherana ka tsy nahavita nampiditra baolina firy. Isa mavesatra 43 no ho 15 no nisarahan’ny roa tonta teo am-pialantsasatra.

Nanenjika ny Ankoay
Nahitana fiovana ny teo amin’ny “coaching” tamin’ny ampaham-potoana fahatelo sy fahefatra. Hita taratra izany tamin’ny isa teny amin’ny solaitrabe, satria nihanifanakaiky izany isa izany. Nanen­jika ny Ankoay ary nisy fotoana tsy nahatafiditra baolina fotoana lavalava mihitsy ry zareo Congolais. Na izany aza, tara loatra ny ezaka ka tsy ampy nandresen’ny Mala­gasy ny Congolais izany tany amin’ny ampaham-potoana fahatelo sy fahefatra. Isa 82 no ho 62 no nisarahan’ny roa tonta, teo am-piafaran’ny lalao. Ho amin’ny rahampitso, hihaona amin’i Senegal, mpam­piantrano ny Ankoay, amin’ny 9 ora alina, ora eto Madagasi­kara. I Côte d’Ivoire kosa no hihaona farany amin’izy ireo, ny alahady 5 jolay amin’ny 6 ora hariva. Nampanantena ny hanarina ny lesoka ny mpilalao sy ny mpanazatra. Tsiahi­vina fa laharana farany i Madagasikara ao anatin’ny vondrona misy azy, hatreto, ary tsy tokony hanao antsirambina ny lalao rehetra amin’ity dingana fahatelo ity raha te hahazo ny tapakila ho amin’ ny fiadiana ny amboara maneran-tany.

Mi.Raz

Partager sur: