Nirefodefotra ny basy teny Ivandry : Narahana “drones” ny filohan’ny Fanavaozana

Indroa alina misesy izao, no voalaza fa narahana ”drones” ny fiara nitondra ny Kly Randrianirina Michaël, raha izy hamonjy fodiana. Hitan’ny mpiambina izany halina ka raikitra ny tifi-danitra, teny Ivandry

Namoaka fanambarana ofisialy, halina ny talen’ ny seraseran’ny Fia­didiana ny Fanavaozana. Voalaza tamin’izany fa indroa alina misesy izao dia misy ”drones” manaraka foana ny fiara ma­natitra azy mody eny Ivandry. Afakomaly, efa na­hatsikaritra ny fisian’izany ny mpiambina saingy nisintaka moramora ireo ary tsy naharitra ny sidina. Mbola niverina izany, halina ary efa hita maso, hoy hatrany ny fanambarana. Nitifitra avy hatrany ny mpiambina ny filoha. Nanao sidina ambony izy ireo ka nisintaka rehefa nisy ny tifi-danitra. Niroso ny fiara nisy ny Kly Randrianirina Michaël sy ny mpiambina saingy mbola nahita ”drone” iray izy ireo nanao sidina lavidavitra azy ireo. Tafody soa aman-tsara tany an-tranony ny Filoha, araka ny fanambarana avy amin’ny Fiadidiana ny Fana­vaozana ny Repoblika. Efa nipetrapetraka ny fiarovana mifandraika amin’ny zava-misy, hoy ny fanambarana.

Tsy sambany.
Marihina fa tsy vao sambany no nisy ny fisian’ny sidina ”drones” manakaiky ny Filohan’ny fanavaozana ny Repoblika tahaka izao. Efa nisy ny sidina voalaza fa nihaodihaody tao an-tafotranony ny alin’ny lahady nifoha alatsinainy 12 sy 13 avrily lasa teo. Noho ny teknolojia ”Anti-drone” napetraka ao amin’ny toera-ponenany anefa dia hita ara-potoana sy tsy afaka nanao na inona na inona izany. Miisa dimy ny ”drones” nikasa hamono ny filoha, hoy ny tatitra tamin’izany fotoana.
Nohamafisina ny filaminana teto an-drenivohitra halina. Nanomboka ny fikarohana ny toerana niangan’ny ”drones” ny mpitandro filaminana, vantany vao niseho ny tranga teny Ivandry.

r.r

.

Partager sur: