VAOVAO TAMBATRA

Manana anjara toerana lehibe ny fanohanana ny tantsaha, hiantohana ny kalitaon’ny vokatra. Hanamafisana ihany koa ny fifaninanana eo amin’ny tsena anatiny sy iraisam-pirenena ny sehatra tsy miankina izany. Manohana izany ezaka izany ireo tetikasa sy fandaharanasa vatsian’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola. Mihamafy orina ihany koa ny fiaraha-miasan’ny Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo. Tanjona ny hampiroboroboana ny famokarana sy ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra.

Misokatra ny fifaninanana Tsinjorano, momba ny fahaiza-manao vaovao amin’ny fanondrahana ny lemaka. Mikarakara azy ny minisiteran’ny Fambolena. Nanomboka ny 1 jolay hatramin’ny 30 septambra 2026 ny fisoratana anarana, ao amin’ny adiresy www.tsinjorano.mg. Tanjona ny hahitana vahaolana fanondrahana sy fitsitsiana ny rano.

Hanomboka ny tetikasa Flyover. Voakasik’ izany ny eo amin’ny fiolanana sy sampanan-dalana Anosizato, hanatanterahana azy. Efa vonona ny famatsiam-bola hampiasaina amin’izany.

Partager sur: