Mahabe adihevitra amin’izao ny hoe fisian’ny gadra politika na tsia. Vokatry ny fehinkevitry ny fivoriana manokana nampitain-davitra momba an’i Madagasikara nataon’ny vondrona Sadc tamin’ny faran’ny volana teo. Takin-dry zareo ny famoahana ireo hoe gadra politika. Inona ny marina? Arakaraka ny toerana hatrany ny fijerena sy fahitana zavatra iray, indrindra izay eo am-pihetsiketsehana. Eo koa ny izay kendrena amin’izany, ny fari-pahafantarana… Misy ny efa vonto sy donton’ny politika, ka politika avokoa izay miseho sy mihetsika rehetra? Na avadika sy terena ho misy antony sy vokany politika…
Saika alaim-panahy amin’izany ny ankamaroan’ny mpanao sy mpilalao politika? Na any ivelany aza… Raha vao izy, ohatra, no voatohintohina amin’izay momba azy sy maharary azy, mampiaka-peo avy hatrany hoe misy ambadika politika, antony politika, tanjona politika… Tsy tohinina amin’ny ataony izany ny mpanao politika? Eny, na manao fandikan-dalàna tsotra izao aza, ohatra: tsy mandoa hetra, mivadika amin’ny fifampitokisana, manodinkodim-bola… Izay no nisy sy niainana teto hatramin’izay? Fototra sy fositra isian’ny tsimatimanota, mihevi-tena na haverina ho izany. Lehibe tsy mba diso na lehibe tsy meloka hatrany ny mpanao politika? Hany ka manararao-pahefana, mampiasa olom-pantatra, mampangotsoka amin’ny hoe gadra politika…
Anisan’ny mahapotika ny firenena sy mampahantra vahoaka izay? Ny mpanao politika tsy mba diso amin’ny ataony, manohy izany hatrany: tsy azo ahitsy, tsy misy fanenjehana… Sao mpanao politika migadra noho ny fandikan-dalàna àry no misy amin’izao fa tsy gadra politika? Na ny tena no efa gadrain’ny politika, ka politika sy asiana dika politika avokoa izay miseho sy mihetsika rehetra. Gadra politika?
R. Nd.




