Vary : Hakarina 11 256 000 taonina ny vokatra, ny taona 2030

Mikendry ny hampiakatra ny voka-bary hatrany amin’ny 11 256 000 taonina (t) amin’ny taona 2030 i Madagasikara hahatrarana ny fahaleovan-tena ara-tsakafo.

Tanjona ny hialana tsikelikely amin’ny fanafaram-bary, izay mahatratra hatrany amin’ny ny 500 000 t isan-taona hamaliana ny filan’ ny mponina. Tombony lehibe ho an’ i Madagasikara ny se­hatry ny fambolena. Tomba­nana 36 tapitrisa ha ny velaran-tany azo volena saingy 3 tapitrisa ha monja no mbola voavoly amin’izao fotoana. Mandrafitra ny 30%-n’ny ha­rinkarena faobe (PIB) ny se­hatry ny fambolena. Mampidi-bola 40% amin’ny fanondranana izy ary manome asa ho an’ny 70 %-n’ny mponina.
Ankilany, mbola ambany ny vokatra azo. Ny taona 2024, manodidina ny 5 250 000 t ny voka-barintsika raha ny antontanisa navoakan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana. Ankehitriny, manodidina ny 2t/ha ny voka-bary. Mahatonga izany ny tsy fahampian’ny zezika, ny fampiasana ny masomboly nohatsaraina. Tery ny velaran-tany voatondraka rano, tsy ampy ireo fitaovana maoderina ampiasana. Ao koa ireo mbola manohy ny fomba fambolena nentim-paharazana.
Vahaolana

Lalana mahomby hampitomboana ny famokarana ny fanatsarana ny vokatra isaky ny hektara na tsy hitarina aza ny velaran-tany volena. Ani­san’ireo teknika mampiakatra hatrany amin’ny 50% ny vokatra sy manatsara ny fidiram-bolan’ny tantsaha ny fanatsarana ny fitaovana ampiasana. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiasana ny masomboly nohatsaraina. Eo koa ny fampiasana ny zezika mifanaraka amin’ny toe-tany ary ny fampiharana ireo teknikam-pambolena maoderina.
Ankilany, sehatra anisan’ny hampandroso ny firenena ny fambolena. Ilaina kosa ny manatsara ireo fotodrafitrasa samihafa eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Tokony hamoraina ny fahazoana famatsiam-bola sy akora ilaina. Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny fahaleovantena ara-tsakafo ny taona 2026-2040 an’ny minisiteran’ny Fambo­lena sy ny fahaleovantenan-tsakafo ny hanova tsikelikely ny fambolena malagasy. Ny fambolena enti-mivelona ho lasa fambolena mamokatra, mifaninana sy mahazaka ny fiovan’ny toetr’andro ary ma­morona sanda ara-toekarena, ka hahafahan’ny firenena mi­antoka ny fahaleovantenan-tsakafo sy mampiroborobo ny fitomboana ara-toekarena ma­hasoa ny rehetra.

Henintsoa

Partager sur: