Salon RSE & IDD : Hametraka tetikasam-pampandrosoana maharitra

Voafaritra nandritra ny lanonam-pamaranana ny «salon RSE & IDD», andiany faha-10, ny zoma teo, tetsy amin’ny Novotel Ivandry, ireo vinan’ny hetsika ho an’ny taona manaraka. “Kendrena ny hametraka sehatra nasionaly hanohanana sy hanafainganana ireo tetikasa momba ny fampandrosoana maharitra”, hoy ny tale mpanorina ny Innoveo sady mpi­ka­rakara ny hetsika, Rabefitiavana Urlichia. Tanjona ny hanampy ny mpandraharaha, ny orinasa ary ny fanjakana hiara-hamolavola sy hampihatra vahaolana vaovao ho an’ny toekarena sy ny tontolo iainana. Manomboka ihany koa hoy izy ny fiaraha-miasa stratejika ho an’ny 10 taona manaraka. Ankilany, zava-dehibe hoy ny tale jeneralin’ny Innoveo ny ma­metraka fenitra nasionaly momba ny RSE, ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola maitso sy manga ary ny hanamafisana ny fiaraha-miasan’ny sehatra rehetra. Traikefa azo nandritra ny 10 taona izay ny fahavononan’ny orinasa handray andraikitra hatrany, raha ny fanazavana hatrany. Mila tohanana koa, hoy izy, ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME) izay mihamaro. Notsin­drian’ireo mpikarakara fa dingana hanatanterahana ireo tetikasa ho an’ny fampandrosoana maharitra ny hetsika farany teo.

Henintsoa

Partager sur: