VAOVAO TAMBATRA

An-dalam-pananganana ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro hamatsy ny Sekoly ambony ao Vontovorona ny Jirama amin’izao fotoana, hamaliana ny filan’ny mpianatra. Efa tafapetraka kosa ireo “onduleurs” sy takela-masoandro miisa 2600 raha toa ka efa ao Mandroseza ihany koa ny vata mpanova herinaratra. Andrasana amin’ity herinandro ity ny fifanarahana amin’ny tetikasa DECIM, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola mba hahafahana manafatra taribin-jiro any ivelany. Vinavinaina ho tonga eto Madagasikara afaka telo volana aorian’ny fifanarahana izany.
Hotanterahina ny 5-6-7-8-9 aogositra eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny « Fier-Mada », andiany faha27. Hetsika ara-toekarena hampahafantarana ny vokatra malagasy ka hanampiana ny tantsaha hitady lalam-barotra. Lohahevitra amin’ity taona ity ny «lalan-tany mateza tsara no hampifandraisana ireo toeram-pamokarana rehetra eny ambanivohitra amin’ny tsenan’ny kaominina». Hisy ny fanentanana maro samihafa mandritra ny dimy andro hanaovana ny hetsika ho fanandratana avo ny vita malagasy.
Nifarana omaly ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena natokana ho an’ny kaoperativa (JIC) ny taona 2026. Natao tany amin’ny faritra Sava ny hetsika tamin’ity taona ity, nandritra ny telo andro. Nisy ny lanonana samihafa nanamarihana izany. Tao anatin’izany ny fampirantiana, ny fiofanana momba ny lalàna vaovao mifehy ny orinasa kaoperativa sy ny fomba fananganana sy fitantanana izany. Nisy ihany koa ny adihevitra ara-teknika mba hanavaozana fiaraha-miasa.

Partager sur: