Anisan’ny nanafika ny ben’ny Tanàna tao Ankirihitra, lavon’ny zandary ny jiolahy ikoizana amin’ny fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ankijabe, distrikan’Ambato Boeny, ny alakamisy teo. Nanao fisafoana nandritra ny alin’io andro io ny fokonolona sy ny zandary. Voasambotra nandritra izany ity olon-dratsy ity. Nentin’ny manam-pahefana hihazo ny biraon’ny zandary izy. Nandositra anefa ity farany ka raikitra ny fifampitifirana. Vokany, maty voatifitra ity dahalo ity. Mitohy ny hazalambo ataon’ny mpitandro filaminana ireo namany.
Tsiferana R.