Sarona tatsy amin’ny Nosy Comores avokoa ireo teratany malagasy 11 niditra an-tsokosoko tao an-toerana. Niainga tao Mahajanga ny 06 febroary lasa teo ny sambo “Shanny” nandehanan’ireo mpandeha. Nitondra entana ilay sambo ary mbola ireo tantsambo no tao anatiny nandritra ny fisavana sy fanaraha-maso azy tao amin’ny seranan-tsambo. Nony tao amin’ny Nosy Comores, tratra avokoa ireo teratany malagasy mpiondrana . Mbola tao anatin’ilay sambo ihany koa ireo tantsambo valo lahy ny asabotsy 11 febroary teo. Taorian’izay, naverina nody avokoa ireo mpandeha rehetra ka tonga tao an-toerana tao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga ny zoma teo. Natao andrimaso sy hatao fanadihadiana izy rehetra. Tsiahivina fa tsy vao izao no misy tranga toy izao. Maro ireo efa very vola sy misazy amin’ny raharaha fiondrana an-tsokosoko toy izao. Kanefa tsy vitsy ireo mbola sahy manao ihany.
Henintsoa H.