Ranomainty – Taolagnaro : daholo roa lahy tratran’ny Tafika

Ampolony ireo andian-dahalo nirongo basim-borona sy famaky ary lefona nitangorona tamin’iny lalam-pirenena faha 13 (RN13) iny. Tao Ranomainty, kaominina am­banivohitr’Ankariera, distri­kan’i Taolagnaro, no nitrangan’izany afakomaly. Nikasa handroba ny mpndeha amin’iny lalana iny ireto dahalo ireto, araka ny fanazavan’ny mpandeha tamina taksiborosy hihazo an’i Taolagnaro. Nampandre haingana ny zava-misy tamin’ny miaramilan’ny fari-piarovana sy fandriampahalemana Mandrare nanao fisafoana tao Ankariera ny sasany tamin’ny mpandeha. Nidina tany an-toerana avy hatrany ny miaramila ka raikitra teo ny fifandonana. Tratra tamin’izany ny dahalo roa lahy antsoina hoe Mahaozatry sy Mahoriky raha tafaporitsaka kosa ireo namany. Efa natolotry ny miaramila ny polisy ny fanohizana ny fanadihadiana ireto dahalo tratra ireto. Dahalo isan’ny nampitondra faisana tamin’iny faritra iny izy ireo. Ratsy rahateo ny RN13 ka mahatonga ireo malaso manjaka tanteraka na manao izay ho afany aza ny mpitandro filaminana amin’ny fanenjehana azy ireny.

Jean Claude

Partager sur: