Voalaza ho nangala-jaza : Vehivavy iray voasambotry ny fokonolona tetsy Ankaditoho

Saika niharan’ny hatezeram-bahoaka ny vehivavy iray, voalaza fa saika nangala-jaza, omaly atoandro tetsy Ankaditoho Tsimbazaza. Tonga nisambotra azy sy nitondra azy niatrika fanadihadiana ny polisy taorian’izay.

Misesisesy ny fahatrarana olona voalaza ho mpangala-jaza tato ho ato. Taorian’ny fisamborana vehivavy iray, voampanga ho nangala-jaza tetsy Ilanivato, ny sabotsy teo, vehivavy iray hafa, tokony ho 47 taona, indray tratran’ny fokonolona tetsy Ankaditoho Tsimbazaza, omaly atoandro, tokony ho tamin’ny 3 ora. Nahatsikaritra io ramatoa io nampiresaka ankizy iray teny an-toerana ny olona teny amin’ny manodidina. Nentiny moramora niaraka taminy avy eo ilay ankizy taorian’izay. Nisy nahatsikaritra anefa ny fihetsiny izay hafahafa ka avy hatrany dia nifanenjehana ary voasambotry ny fokonolona. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ity renim-pianakaviana ity, soa ihany fa tonga ara-potoana ny avy amin’ny polisim-pirenena. No­sam­borina avy hatrany izy io ary nentina eny anivon’ny biraon’ny polisim-pirenena miatrika fanadihadiana. Nen­tina eny amin’ny biraon’ny kaomisaria foibe Tsaralalàna ny tenany, taorian’izay. Mbola nirohitra nivazavaza sy nanejika ilay ramatoa tao anaty fiaran’ny polisy ireo fokonolona nandritra izany. Ny fanadihadiana ataon’ny polisy no ahafantarana raha tena nikasa hangala-jaza tokoa ity ramatoa ity na tsia.

Olona roa hafa

Tsiahivina fa vehivavy iray no voasambotry ny fokonolona nangala-jaza tetsy Antani­menabe Ilanivato, ny sabotsy teo. Tratra nampiresaka ankizivavy miisa roa teny an-toerana izy ary nentiny nanaraka azy ireo taorian’izay. Tsikaritry ny fokonolona sy ny fianakaviana izany ka avy hatrany dia nosamborina ary azo sambo-belona ity vehivavy ity niaraka tamin’ireo zaza nokasainy halaina. Efa miatrika fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny kaomisarian’ny polisy moa ny tenany taorian’izay. Ankoatra izay, raim-pianakaviana iray hafa ihany koa tratran’ny fokonolona saika hangala-jaza tetsy Ampefiloha Ambodirano, ny sabotsy teo ihany. Notro­troin’ity lehilahy ity ilay ankizy izay tsy zanany akory. Nifa­nenjehan’ny fokonolona ary naratra mafy noho ny daroka nahazo azy. Mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha moa ity farany hatramin’izao. Entanina hatrany ny tsirairay mba hampandre ny mpitandro filaminana raha sendra mahatsikaritra zavatra hafahafa mampiahiahy. 147 ny laharana antsoina raha mahita tranga.

Mino

Partager sur: