Lozam-pifamoivoizana teny Nanisana: Nitolo-batana eny amin’ny polisy ilay mpamily

Atao famotorana eny anivon’ny mpitandro filaminana ny teratany Indianina nitondra fiara tsy mataho-dalana nandona olona teny Nanisana, ny sabotsy 04 jolay teo. Nipa­ritaka nanerana ny tambajotran-tserasera ny sarin’ny lehilahy iray nihoson-dra voalaza fa nodomin’ny fiara 4×4 miloko mena teny Nanisana, boriborintany fahadimy, ny sabotsy lasa teo. Nifamonjen’ireo nanatri-maso io olona voadona io, saingy very ra be loatra ka maty teo no ho eo. Nanaraka ny fiara voalaza ho nahavanon-doza ny tsara sitrapo iray ka nahazo sary. Hita tamin’ny alalan’ny horonantsary ny endrik’ilay mpamily ny fiara. Tsy nijanona, nanohy ny lalany io mpitondra 4×4 io. Nanao antso avo manoloana ny fahalasanan’ny zanany ny fianakavian’ilay tovolahy 27 taona. Ity farany izay tsy afa-nialan’izy ireo nenina akory. Nitohy ny alahady 5 jolay ny fampahafantarana sy ny fisintomana lakolosy tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera mahakasika ny mombamomba io olona voatondro ho nitondra ny fiara nandona ilay tovolahy namoy ny ainy io. Nitolo-batana eny anivon’ny biraon’ny polisy ilay voatondro ho nahavanon-doza. Natao andrimaso ity farany, araka ny angom-baovao farany.

Tsiferana R.

Partager sur: