Aoka tsy hanao kinangananga!

 

Tena misy trangam-piarahamonina maro mahatonga saina eto amin’ny firenena, ankehitriny. Manginy fotsiny ny fanaovana politika hafahafa. Vazaha mody miady no betsaka, fa ilay vahoaka no miesona sy mitsetsetra. Tsy hijerena vanim-potoana na sokajin-kery ny resaka fa ilay tontolo amin’ny ankapobeny eto amin’ny firenena mihitsy. Mitambatra ao ny vola, ny voninahitra, sy ilay “V” tsy filaza imasom-bahoaka.
Tsy hidirana lalina ity farany fa ny fivoaran’ny raharaham-pirenena: toa misy milaza fa fahavoazana no misy. Nivalona ilay fanavaozana. Hatreto tokoa, tsy mbola misy afaka ny hilaza fa niova be tahaka ny ahoana afa-tsy ny fanohanana ny mpiasam-bahoaka na am-perinasa na ny misotro ronono. Velombelo sy efa manome toky ary milokaloka mihitsy ry bebe sy dadabe fa manohana tsy misy fepetra an’i Kolonely.
Taiza tokoa no nisy fandraisana kadoa sy vola bojy tsy tapaka tahaka izao. Solombodiakoho amin’ny andro fety, tovana tamin’ny vola noraisina raha handeha hisotro ronono, ny tambin-karama isan-karazany nasiam-panamboarana. Aiza ko ro ahita! Ny sarambabem-bahoaka izao tena faly volony mihitsy mahita ny vidim-bary azo ihoriranana. Ny foto-tsakafo aloha no efa nahita-piovana ka rariny sy hitsiny raha maro no milaza fa tena manao ilay “Mika kely”.
Santionany moa ireo fa asa izay hapoakany amin’ny lafin-javatra goavana kokoa. Tsy vitan’ny vonjitavanandro ny fitondrana firenena. Miandry ny fanavaozana tena izy, miainga amin’ny rafitra, ny zava-drehetra. Hatreto anefa, mbola miandry fa gasy daholo. Andrandraina fatratra ny fivoahan’ny tetiandro avy amin’ny raiamandreny am-panahy, nanankinana ny andraikitra. Hiangonan’ny rihatra eo ireo raha mitsefotra ny zava-drehetra ka tsy tokony hanao kinanga.

r.r

Partager sur: