Noho ny olana teknika: Miverina ny delestazy eto Antananarivo

Misy olana ara-tekinika ny tariby mampifandray ny « alternateur” gropy 2, amin’ny tobim-pamokatra herinaratry ny Afripower ao Mandroseza.

Mihena ny famokarana herinaratra amin’ny Tam­bajotra irai­san’An­ta­­nanarivo (RIA). Hanodidina ny telo andro eo ny faharetan’ny asa fanarenana. Mandritra izay, hihatra isan-kariva, ma­nomboka amin’ny 5 ora sy sasany hariva ka hatramin’ny 8 ora sy sasany alina, ny fahatapahan-jiro mi­fandimby amin’ny faritra maro eto Anta­nanarivo sy ny manodidina, raha ny fanambarana nataon’ny Jirama. Voakasika ao anatin’izany Anosizato, Ampita­tafika, CNaPS, Amba­tomira­havavy, Analavory, Am­pefy, Ampasika, Andra­nona­hoatra, Avarabohitra Itaosy ary Am­bohimamory. Mbola tafiditra ao anatin’ireo faritra iharan’ny delestazy ihany koa Andoha­tapenaka, Digue, Am­bohi­tri­manjaka, Andrano­mena ary Talatamaty.
Ankoatra ny fanelingelenana mahazo ny tokantrano, hisy fiantraikany lehibe amin’ny toekarena ny zava-misy. Hikorontana ny fihodinan’ny orinasa. Misy ireo voatery hampiato ny asany mandritra ny ora voakasika ka miteraka fihenan’ny vokatra sy fahaverezam-bola izany. Hitombo ihany koa ny fandaniana ho an’ireo orinasa manana fahafahana hiatrehana ny fahatapahan’ny herinaratra. Voatery hatokana ny vola hividiana solika, indrindra amin’ny fo­toana mahabetsaka ny famokarana.

Haintany
Miditra tsikelikely amin’ny vanim-potoan’ny haintany ihany koa isika izao. Fotoana mampihena ny haavon’ny rano mamatsy ireo tohodrano mpamokatra herinaratra ao An­dekaleka. Ankilany, manome toky ny Jirama fa nihatsara ny famatsiana herinaratra tamin’ny taona 2025 sy 2026, na dia mbola nisy aza ny fahatapahan-jiro nitranga tato ho ato tany amin’ny faritra maro eto Antananarivo. Nambarany fa nahatratra 39,5 MW ny tsy fahampian’ny famokarana ao amin’ny RIA, ny volana mey 2025. Ho an’ny volana jona 2026 kosa, tombanana ho 15,5 MW ny filana herinaratra mbola tsy feno. Tarehimarika lavitry ny 47,9 MW voarakitra tamin’io vanim-potoana io, tamin’ny taona 2025. Ankoa­tra izay, anisan’ny fepetra noraisin’ny Jirama ny fandatsahana orana tany amin’ireo fari-drano mamatsy ny toho­dranon’An­dekaleka, Mandra­ka ary Tsiazompaniry. Hoha­mafisina ihany koa ny famokarana amin’ny alalan’ny fampiasana ireo tobim-pamokarana mandeha amin’ny solika, ny fampandehanana ny tobim-pamokarana TAC, manana tanjaka 30 MW ary ny fanatanterahana tetikasa famokarana herinaratra avy amin’ny angovo azo avy amin’ny masoandro.

Henintsoa

Partager sur: