JIC 2026 : Nohatsaraina ny fandraharahana

Vaindohan-draharaha nandritra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena natokana ho an’ny kaoperativa tao Sambava ny sehatry fampandrosoana ny sehatry ny fandraharahana. Nifanakalo traikefa sy nahazo tohana ara-teknika ireo kaoperativa mpandray anjara. Tanjona ny hanamafisana ny kolontsaina tia mandraharaha sy ny fampandrosoana maharitra. Ankilany, ny fifaninana natao ho an’ireo kaoperativana nanana tranoheva sy vokatra tsara. Nisitraka mari-pankasitrahana kosa ny kaoperativa mendrika sy nandresy tamin’izany. Nohavaozaina hifanaraka amin’ilay lalàna vaovao mahakasika ny orinasa kaoperativa ny « certificat d’enregistrement » nozaraina tamin’ireo mpandraharaha. Ankoatra izay, nitsidika ny saham-pambolena lavanila an’ny kaoperativa ZOTO teny Antsaborara, Kaominina Farahalana, izay mamokatra lavanila 2 ka hatramin’ny 3 taonina isan-taona, ireo tompon’andraikitry ny minisiteran’ny Indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina.
Tsiahivina fa mandray anjara betsaka amin’ny fampandrosoana ny harinkarena faobe ny orinasa madinika.

Henintsoa

Partager sur: