Tetikasa Volobe : Miomana hanangana fotodrafitrasa

Mirindra ny fanomanana ny tetikasa Volobe. Hatom­boka amin’ny voalohan’ny taona 2027 ny fanamboaran-dalana mirefy 45km, mampitohy an’i Fanandrana sy Ambo­dilazana. Tetikasa izay haharitra 8-12 volana. Aorian’izay ny fananganana ireo fotodrafitrasa samihafa hampandehanana ny tetikasa. Nivoitra izany nandritra ny salon « RSE et IDD », andiany faha-10, tetsy amin’ny Novotel Ivandry. Natomboka tamin’ny taon-dasa ny sivana ireo orinasa hiara-kiasa amin’ny « Com­pag­nie générale hydroélectrique de Volobe » (CGHV) hametraka ireo fotodrafitrasa ao an-toerana. Ao anatin’izay ny taozava-baventy, ny lafiny angovo ary ny fitaterana ny herinaratra. Anatin’ny fanatsarana ny lafiny tekinika ihany koa ny tetikasa, ankehitriny, hiantohana ny vokatra ho an’ny tombontsoa ara-tsosialy sy tontolo iainana ao an-toerana. « Hihena ny fanelingelenana ateraky ny fametrahana fotodrafitrasa rehefa tomombana ny lafiny tekinika. Tafiditra ao anatin’izany ny sehatry ny fananan-tany izay mahavoakasika ireo mponina mipetraka manodidina ny tetikasa », hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny tetikasa. Nambarany fa tsy maintsy afindra toerana ireo olona voakasiky ny fanamboarana. Ho laharam-pahamehana kosa ny hamaliana ny filany mba hahafahany miaina sy mivelona an-kalalahana. He­tsika iarahana amin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo sy ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny raharahan-tany izy io.

Mpiara-miombon’antoka
Miara-miasa ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina amin’ny famatsiam-bola ny tetikasa. 25% ny famatsiam-bola hampiasaina dia avy amin’ireo tompona petra-bola. 75% kosa avy amin’ireo banky mpamatsy vola.
Tsiahivina fa tanjona apetraky ny CGHV ny hampihena ny vidin’ny herinaratra sy hanolo tsikelikely ny toby mandeha amin’ny solika. Hamokatra angovo 120MW izay ampahany lehibe ilain’ny firenena ny tetikasa.

Henintsoa

Partager sur: