Mampihoron-koditra ny manokatra Facebook, amin’izao fotoana. Mirarakompana ny olona very. Ankizy 12, 14 sy 19 taona ny telo tamin’ny olona efatra hita faty teto Antananarivo Renivohitra, nanomboka ny 1 jolay teo.
Tsy honohono fa tena misy ny mpangalatra olona, ankehitriny. Tsy vitan’izany fa mbola mamono sy manala na maka taova ny sasany. Tena lasibatra ny ankizy sy ny zatovo. Raha ny antontanisa farany izao, ankizy ny telo tamin’ny olona hita faty tao anatin’ny herinandro, voalohan’ny volana jolay. Omaly, vao maraina, hita faty teny amin’ny toeram-pikapohana vato na ny kariera eny Ambatomaro, ny tovolahy iray. Nanaovan’ny fianakaviana ombay mitady izy, afakomaly alina, rehefa tsy tonga tany an-trano. Mbola niaraka tamin’ny namany izy rehefa avy nanao fitsirihana ara-pedagojika, efa tamin’ny telo ora folakandro vao nisaraka. Ankona ny fianakaviana, hitan’ny mpiasa mpandeha maraina teny Ambatomaro ny vatana mangatsiakan’ilay tovolahy vao 19 taona. Tsy nisy taovam-pananahana intsony izy.
Nampahatsiahy ny tranga teny Amboanjombe, ny faha-2 jolay, izany. Mpivarotra akoho no tsy hita faty teny amin’ny lalana mivoaka amin’ny lalam-pirenena faha-7. Tsy hita ihany koa ny filahiany.
Ny alahady 5 jolay, hita faty koa i Fetra, ankizilahy 14 taona nokarohin’ny fianakaviany nanomboka ny 26 jona. Notrobaran’ireo tsy mataho-tody tamin’ny zava-maranitra tao ambany saokany. Natsipy tao anaty rano teny Tongarivo Tanjombato izy. Lasibatra faha-4 i Sahala, zazavavy 12 taona. Vatana mangatsiaka no hany sisa hitan’ny fianakaviany teny Amboanjobe, Andoharanofotsy, ny talata 30 jona lasa teo. Nirahina hividy mofo izy no nanjavona.
Tebiteby
Tsy ny zaza ihany no lasibatra amin’ny fangalarana olona. Mihamaro ny olon-dehibe tsy hita. Misy ny maty, misy ny hita saingy very saina na maratra, misy ny tsy mbola handrenesam-baovao. Velon-taraina ny sarambabem-bahoaka. «Aiza ho aiza ny fandraisan’andraikitry ny mpitandro filaminana», hoy ny renim-pianakaviana iray nanaovana fanadihadiana. Mitaky fandraisana fepetra haingana sy ara-potoana izy ireo hisorohana ny vonoan’olona miseholany.
Etsy ankilany, nanamafy ny minisitry ny Filaminam-bahoaka tetsy Anosy, ny alahady lasa teo, fa fanakorontanana ataon’ireo fahavalom-pirenena ny tranga misy. «Tsy izany no vahaolana andrasanay fa ny fampitsaharana, fisorohana, ary ny fanenjehana ireo mahavanon-doza», hoy kosa ny raim-pianakaviana iray.
Marihina fa nahetsika manerana ny tanàna eto an-dRenivohitra ny miaramila an-jatony. Natao hisahana ny filaminana eny an’elakelan-trano izy ireo.
Tsiferana R.




