Manoloana ny fanjavonana zanaka malagasy, miafara amin’ny famonoana ho faty azy ireny, nanao fanambarana tamin’ny mpanao gazety, tetsy amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, omaly hariva. «Tsy afaka handefitra ny tenany, amin’ny maha Praiminisitra azy, fa vonona hiatrika ady, na iza na iza ambadik’ireny tranga fanjavonana sy vono olona ireny», hoy izy. Nambarany fa efa misy ny fepetra fisorohana napetraka ary efa nomena baiko hentitra ireo minisitera voakasika rehetra. Miantso fitoniana, araka izany, ny Praiminisitra ary miantso fifanomezan-tanana avy amin’ny olom-pirenena rehetra mba hanampy ireo mpitandro filaminana. Manoloana izany, naparitaka manerana ny toerana rehetra eto Antananarivo Renivohitra ireo mpitandro filaminana, nanomboka omaly. Nahitana zandary sy Tafika ary polisy manodidina ny 400 isa izany. Anisan’ny naparitaka manerana an’Antananarivo koa ny mpiambina ny Filoham-pirenena “Garde présidentielle”. Mivezivezy sy manara-maso ary mitandro ny filaminana eny rehetra eny izy ireo amin’ny atoandro sy amin’ny alina. Tanjona ny hahatrarana ny tena ao ambadik’ireo hala-jaza sy famonoana olona. Naneho fiombonam-po tamin’ireo ray aman-dreny very zanaka na namoy zanaka, noho izao tranga tena hafa tsy mbola fahita izao, ihany koa ny tenany.
Mino




