Dimy andro taorian’ny fanjavonan’i Tolotra (20 taona) sy Ravo (15 taona), tany amin’ny Kaominina Mantasoa, hita faty tao amin’ny ranon’i Mantasoa omaly maraina ny vatana mangatsiakan’izy roa. Mpifankatia niara-namono tena, nifamatotra ny razana tamin’ny fotoana nampiakarana ny razana teny an-tanety. Raha ny fanazavana voaray, nifankatia efa roa taona izy roa ireo saingy noraran’ny ray aman-dreniny tsy hifankatia ka nanapa-kevitra ny hamono tena. Nandao ny tranon’ny ray aman-dreniny avy tany amin’ny Kaominina Mantasoa izy roa ireo, ny marainan’ny 3 jolay 2026 teo. Namela hafatra an-taratasy tao an-trano talohan’izany. Nahatratra efatra pejy ireo hafatra. Nahita izany ny ray aman-drenin’izy ireo ka nanatona ny zandary avy amin’ny tobim-paritra Mantasoa, nampilaza ny zava-misy. Niezaka nanao ny fikarohana ny fianakaviany, natao ny famoahana fampilazana fikarohana azy ireo tamin’ny tambajotra an-tserasera. Anisan’ny voalaza tao amin’ny taratasy ny fangatahana tso-drano ny mba handry am-pilaminana ny fatin’izy ireo. Anisan’ny naha be resaka teny amin’ny tambajotra an-tserasera omaly moa ity resaka iray ity, miampy ny fahitana fatin’olona izay nanaovana ombay mitady tato ho ato izay.
Mino




