Noravan’ny mpitsara tsy lera ny fihaonan’ny Cosfa sy ny FTM Manjakaray, tamin’ny lalao famaranana ny “Super coupe Mada”, taona 2023. Lalao fihantsiana nahafeno mpijery marobe, natao teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, omaly 19 febroary 2023.
Tapitra teo amin’ny minitra faha-13, fizaram-potoana faharoa, ny fihaonan’ny Cosfa miaramila sy ny FTM Manjakaray. Lalao famaranana ny “Super coupe Mada”, taranja rugby, taona 2023, izay natao omaly, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Marihina fa ny Cosfa no nitarika tamin’ny isa 20 no ho 15, saingy rehefa nisy ny savorovoro ka nitsoka ny kiririoka ny mpitsara dia nihoraka sy faly avokoa ny mpilalaon’i Manjakaray.
Raha hiverenana ny zava-nitranga nahatonga ny disadisa, nahazo “penalty” ny Manjakaray teo amin’ny minitra faha-13 ka nahazo karatra mavo i Ismaèl, mpilalao Cosfa. Taorian’izany, nisy mpilalao roa avy ao amin’ny miaramila namaly ny mpitsara ka nahazo karatra mavo ihany koa, anisan’izany i Gervais sy i Sayda, mpilalao Cosfa.
Rehefa nahita izany ny Cosfa dia nanontany ny mpitsara ary nangataka fanazavana. Araka izany, nantsoin’ ny mpitsara afovoany ireo mpitsara mpanampy roa sy ny ambony latabatra, ary nanapa-kevitra izy ireo fa taperina ny lalao.
Rehefa nanontaniana ny mpanazatra mpanampin’ny FTM, Vonjiniaina na (Jôta) “Tsy mety hanohy ny lalao intsony ny Cosfa, ka tsy maintsy nandray fepetra ny mpitsara. Zavatra tsy tokony hatao ny mamaly ny mpitsara, saingy mbola misy ihany ireo mpilalao mbola tsy mahafehy tsara ny lalàn’ny Rugby, hany ka manompa sy mandrahona mpitsara no ataon’izy ireo. Misaotra tanteraka ny mpitsara aho, voafehiny tsara ny fihaonana androany. Vonona foana izahay raha haverina ny lalao.”
Mifanohitra tanteraka amin’izany ny fanazavan’i Gervais, isan’ireo mpilalaon’ny Cosfa nahazo karatra mavo “Tsy voafehin’ny mpitsara ny lalao, hany ka lasa miteraka gidragidra sy fahatezerana ho anay. Tsy mitombina ny hisian’ny “penalty” telo ao anatin’ny telo minitra. Diso ny filazana fa nanompa ny mpitsara aho, nanontany azy ny tena hadisoanay no nataoko. Mbola vonona foana izahay raha haverina ny lalao.”
Marihina fa tsy mbola fantatra izay tena nahazo ny amboara androany ary andrasana ny fanapahan-kevitry ny Malagasy Rugby, taorian’ iny olana iny.
Niady tsara ny lalao
Niaina lalao mahafinaritra tanteraka ny mpijery marobe tonga teny amin’ny Kianja Makis, omaly. Nifandanja tsara ny lalao ary efa avo lenta tanteraka ny Cosfa sy ny Manjakaray. Raha hiverenanana ny lalao, ny Cosfa no nanokatra ny isa tamin’ny alalan’ny “pénalité” izay nodakan’i Lantosoa teo amin’ny minitra faharoa. Mbola nampian’i Lantosoa ihany izany teo amin’ny minitra fahafolo, rehefa nanao fahadisoana ny mpilalaon’i Manjakaray. Nahazo karatra mavo moa ity laharana faha-9 FTM ity ka lasa 14 sisa izy ireo teny ambony kianja. Mitarika amin’ny isa 6 no ho 0 ny miaramila. Taitra tamin’ny torimasony amin’izay ny FTM, ka nahazo isa telo rehefa notsarain’i Mika ny “pénalité” teo amin’ny minitra faha-12. Nahazo karatra mavo ilay mpilalaon’i Cosfa nanao fahadisoana. Mbola nosahalain’i Mika ihany ny isa rehefa nahazo “pénalité”, minitra faha-23 nilalaovana. Nanindry tanteraka ny FTM, ka nisy ny drops tafiditr’i Julio (28 min). Nanohitra amin’izay ny Cosfa, porofon’izany ny nahavitan’i Lantosoa “essaie transformée”, (34 min). Ka 13 no ho 9 ny isa nentina nisarahana teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, mitarika ny Cosfa.
Teo amin’ny fizaram-potoana faharoa, nanatitra “essaie” indray i Jinot, mpilalao Cosfa ka lasa 20 ny isa ho an’i Cosfa, rehefa tafiditr’i Lantosoa ny “transformation”, (44 min). Niezaka indray ny FTM, ka nahazo “pénalité” izy ireo teo amin’ny faha-51 min, tafiditr’i Mika izany ka niakatra ho 12 ny isan’izy ireo. Marihina fa nahazo karatra mavo indray ny mpilalaon’ny Cosfa, tamin’izany. Mbola niampy indray ny “pénalité” azon’ny FTM, (52 min) niakatra ho 15 ny isan’izy ireo. Taorian’izay dia rava ny lalao, tsiahivina fa nitarika tamin’ny isa 20 no ho 15 ny Cosfa.
Fitia (Mpianatra asa)
Voka-dalao hafa :
Tam Anosibe (37) vs (28) SCB Besarety
Maki U20 B (48) vs (12) US Ikopa
Maki U20 A (27) vs (29) XV Avenir