Hala-jaza sy tsy fandriampahalemana : Hahazo tohana ny andrimasom-pokonolona avy amin’ny fanjakana

Nandray fepetra manokaka ny fitondrana Fanavaozana. Nambaran’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël fa hisy fandraisana andraikitra eny ifotony manoloana ny tranga miseho amin’izao fotoana izao.

”Vonona ny hamatsy ny Andrimasom-pokonolona ny fitantanana ny fanavaozana ny Repoblika », hoy ny filoha Michaël Randrianirina. Nan­teriny fa fandraisana andraikitra eny ifotony amin’ny fanomezana ara-potoana ireo vaovao rehetra ahafahana misoroka na miady amin’ny halatr’olona misy ankehitriny izany. Eo ihany koa no tokony hametrahana fomba fanairana ” système d’alerte ” eny ifotony raha miseho ny tranga halatr’olona. Anisan’izany ny hitsofan’ny fokontany kiririoka raha hampaneno lakolosy kosa ny fiangonana. « Fepetra iray ahafahana mampahafantatra ao anatin’ny fotoana fohy ny tranga izany », hoy ihany izy. Nohitsiny fa tena asa fampihorohoroana politika izao miseho izao ary efa niseho tamin’ny taona 2017-2018.
Anisan’ny nandraisana fepetra manokana tamin’ny filankevitry ny minisitra teny amin’ny lapam-panjakana, Iavoloha, afakomaly ny momba izao toe-draharaha izao.
Anisan’ny fepetra noraisina ny hanakanana ireo tranonkala maneho sy manaparitaka sary sy sarimihetsika mamoafady.

Fiarovana ny zaza…

Voamarika fa manohintohina ny filaminam-bahoaka izany, mifandraika amin’ny fitondran-tena mendrika amin’ny fiainana andavanandro. Mibaribary ihany koa fa mahatonga ny firoboroboroan’ny karazana tsy fandriampahalemana mitranga eto amin’ny tany sy ny fanjakana ny fisian’ireny tranonkala ireny. Noho izany, hifarimbona ireo minisitera sy masoivohom-panjakana voakasika rehetra amin’ny fanatanterahana izay fepetra izay. Ho an’ny minisiteran’ny Foloalindahy sy ny minisi­teran’­ny Filaminam-bahoaka ary ny minisitera delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, nohamafisina ireo fepetra noraisina hiarovana ny zaza malagasy manoloana ireo fangalaran-jaza mifanesy miseho eto amin’ny firenena.

R. Nd. Sy Synèse R.

Partager sur: