Fepetra avy amin’ny Prefektiora: Haraha-maso akaiky ny mpanala fanadinana

Manao ranolava ny hetsika fandraisana andraikitra. Na­nao fanambarana ny eo anivon’ny prefektiora, omaly ka nanentana ireo ray aman-dreny mba handray an-tanana ny zanany. « Tapitra rahampitso (anio) ny fanadinana BEPC. Alaivo eny amin’ny ivon-toeram-panadinana tsirairay ny ankizy. Entanina isika mba handray an-tànana ny zaza.
Efa misy fepetra manokana avy amin’ny hery fiarovana sy fandriampahalemana amin’ny fanaraha-maso azy ireo », hoy ny fanambarana. Hentitra koa ny prefektiora fa hamafisina ny fepetra rehetra na andro na alina, amin’ny fanaraha-maso ny toerana rehetra. Anisan’izany ny hotely na toerana ahitana fivoriana.
Mampatsiahy koa izy ireo fa tsy maintsy mikatona amin’ ny 9 ora alina ny toeram-pivarotana zava-pisotro misy alikaola rehetra.
Etsy andaniny, ho hentitra ny fanaraha-maso amin’ny alina, na ho an’ireo toerana fandraisam-bahiny na ho an’ny fivezivezena. « Aza mivoaka amin’ny alina ny zaza tsy ampy taona raha mbola azo atao. Tsy maintsy mitondra karapanondro koa ny tsirairay rehefa hivoaka amin’ny alina », hoy ny Prefektiora. Nanteriny fa tsara raha miaraka maromaro raha misy antony manokana noho ny asa aman-draharaha sy ny fivelomana.
Nampitandrina ny eo anivon’ny Prefektiora fa mila mitandrina amin’ny mety ho fisian’ireo misoloky ho mpitandro filaminana. Niantso ny rehetra hanome tanana ny fitondram-panjakana amin’ny fametrahana fandriampahalemana sy filaminana iombonana hatreny ifotony ny eo anivon’ny Prefektiora, manoloana izao toe-draharaha izao.

Synèse R.

Partager sur: