FANTINA sy FINTINA

Tsy tokony hisy aina ho very noho ny raharaha politika, araka ny nambaran’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël. Nohamafisiny fa tsy azo ekena intsony ny fakana an-keriny sy ny herisetra, ary handraisana fepetra hentitra ireo tompon’antoka. Nidina nijery sy nitsidika ireo fianakaviana niharam-boina ny filoha mivady, omaly.

Hentitra ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana, fa tsy afaka handefitra ary vonona hiatrika ady, na iza na iza ambadik’ireny tranga fanjavonana sy vono olona ireny. « Efa misy ny fepetra fisorohana napetraka ary efa nomena baiko hentitra ireo minisitera voakasika. Miantso fitoniana koa izahay ary ny fifanomezan-tanana amintsika », hoy izy.

Hivory tsy ara-potoana ny eo anivon’ny Antenimierampirenena, araka ny nisongadina sy fanaikana tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly teny Iavoloha. Tsy mbola voafaritra kosa anefa ny fotoana hanatanterahana izany na ho amin’ny herinandro ihany na tsia. Andrasana amin’izao fivoriana izao ny fanenjehana ny filoha teo aloha, Rajoelina.

Tafakatra ho 1000 mahery ireo mpitandro filaminana miparitaka manerana ny Renivohitra sy ny manodidina, omaly. Ahitana azy ireo avokoa ny any anatin’ny elakelan-trano any. Ny eny amin’ny arabe sy ny fisafoana manao andiany hisorohana ny loza mety hitranga noho ny tsy fandriampahalemana, araka ny fanambarana hatrany.

Partager sur: