Nanafika mpamongady : Maty voatifitry i Boss sy Lefaly

Lavon’ny mpitandro filaminana i Boss sy Lefaly, omaly misasakalina. Nikasa handroba mpamongady iray tao Betafo izy ireo no tafiditra tao anaty vela-pandrika.

Nirefodrefotra ny poa-basy tao Betafo, ny sasakalin’ny alarobia hifoha alakamisy. Tambajo­tran-jiolahy hanafika tranombarotra mpamongady no rava. Nandamoaka ka lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana i Boss sy Lefaly. Voaray mialoha tamin’ny loharanom-baovao marim-pototra ny fisiana andian-jiolahy mikasa hanao fanafihana mitam-piadiana.
Nanao ny angom-baovao rehetra, niandry kendry tohina tamin’ny toerana voatondro ny mpitandro filaminana. Nana­raka sisin-drindrina tsirairay ny mpanao ratsy. Nanatona ilay toerana hotafihina izy ireo tamin’ny 11 ora sy 45 mn alina. Nahare sy nahatsikaritra ny mpitandro filaminana ka nitifitra avy hatrany.
Vokany, namaly ny mpitandro filaminana, lavo ny roa tamin’ireo jiolahy. Efa ikoizana sy malaza ratsy amin’ny fanafihana mitam-basy izy roa lahy ireo. Anisan’ny nandray anjara tamin’ny fandrobana nahafatesana olona tany Antana­manjaka, Antsirabe II, izy ireto. Tafaporitsaka tao anaty maizina ny namany. Latsaka teny amin’ny jiolahy ny basy Mas 36 iray.
Naiditra am-ponja
Tranga iray hafa tao Betafo, Antsirabe. Niakatra fampanoavana tamin’ny alatsinainy ny olona efatra, voasaringotra tamin’ny raharaha vonoan’olona niseho ny 4 jona lasa teo. Vokany, naiditra vonjimaika am-ponja avokoa izy ireo. Tsiahivina fa nandroba sy namono ny tompon-trano ny mpanafika tamin’izay. Nan­deha ny famotorana nataon’
ny polisim-pirenena. Tra-tehaka ireo nahavanon-doza. Ni­voaka ny marina rehetra. Voasambotra tao an-tsenan’i Betafo ny telo lahy. Nitoroka ny namany monina any Ambohiboho izy ireo nandritra ny famotorana. Nosamborina ny faha-4 jolay izy.
Marihina fa vao herinandro lasa, namoy ny ainy vokatry ny tifitra nataon’ny tsy valahara ny zanaka mpamongady iray tao Tsivatrinikamo Antsi­rabe. Hiditra ny tanàna izy mianaka no nandrasain’ireo olon-dratsy kendry tohina. Efa mandeha ny famotoran’ny mpitandro filaminana.

Tsiferana R.

Partager sur: