Vonoan’olona : Tovolahy hita faty tapa-doha

Notapahin’ny tsy valahara ny lohan’ny tovolahy iray 15 taona, tao amin’ny fokontany Soavary Station, kaominina Tanandava, distrika Morombe, omaly. Hitan’ny mpandalo nitsirara tamin’ny tany io tovolahy io, nihoson-dra ny faritry ny tendany. Tsy nisy loha intsony izy. Nampandre ny manampahefana sy ny tomponandraikitra ny nanatri-maso. Ny akanjo teny an-koditr’ilay ankizy no hany sisa namantaran’ny fianakaviany azy. Hifampitadiavan’izy ireo ny toerana nametrahan’ireo tsy mataho-tody ny lohan’ilay ankizy namoy ny ainy. Tsy fantatra mazava ny antony namonoana azy, hatreto. Manoloana ity vonoan’olona ao amin’ny distrika Morombe ity, manao antso avo amin’ny manampahefana sy ny mpitondra fanjakana ny mponina any an-toerana. Manjaka ny tsy fandriampahalemana, ary saika manerana ny Nosy, ka velon-taraina izy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: