Niato nandritra ny 3 taona ny fifaninanana basikety, Alley Hoop 3×3. Ankehitriny, hiverina indray izany, izay hotanterahina ny 26 sy 27 febroary izao ary ny 4 sy 5 marsa, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Efa tsindriandaona avokoa ny mpankafy ity hetsika karakarain’ny Rdj hiarahana miasa amin’ny federasiona malagasin’ny basikety ity. Sokajy maro no hifaninana, ahitana ny sokajy latsaky 17 taona lehilahy sy vehivavy, sokajy latsaky ny 23 taona lehilahy sy vehivavy ary ny Senior lahy sy vavy.
Toy ny nahafantarana ny Alley Hoop hatramin’izay, hisy ny fifaninanana tifitra isa telo na ny “tir à 3 points” ho an’ny lehilahy sy vehivavy ary ny fifaninanana Dunk. Tsiahivina, i Elly no nandrombaka ny “tir” tamin’ny taona 2019, ho an’ny sokajy lehilahy raha toa ka i Copain ny teo amin’ny sokajy vehivavy. I Steven Mong kosa ny nahazo ny “Dunk” ary ny ekipan-dry Bila no tompondakan’ny Alley Hoop 3×3 2019.
Mi.Raz