Kitra – Rezionaly U19: nahemotra noho ny rivodoza Freddy

Naato ny fifaninanam-paritra taranja baolina kitra, ho an’ireo sokajy U19 izay atao eto amintsika, noho ny fisian’ny rivodoza Freddy. Araka ny vaovao voaray teo anivon’ny kaomisionina misahana ny baolina kitra ho an’ny tanora ao amin’ny Federasiona malagasy ny baolina kitra (FMF), omaly. Izany dia natao hisorohana ny loza mety hitranga sy hitandreman’ny rehetra. Raha ny filazan’izy ireo tao anaty tambajotran-tserasera, hahemotra amin’ny fialan-tsasatry ny Paska 2023, ny dingana faharoa amin’ity fifaninanana “Coupe Régionales U19” ity. Tsiahi­vina fa izany dia saika natao tany Fianarantsoa sy Toama­sina, ny 25 febroary hatramin’ny 5 marsa. Marihina fa miisa valo izy ireo no tafakatra tamin’ity dingana manaraka ity, anisan’izany i Sava, Atsina­nana, Itasy, Boeny, Vakinan­karatra, Anosy, Atsimo Atsi­nanana, Atsimo Andrefana. Marihina fa natao hifantenana ireo Barea U20 izay hanao ny Cosafa ity fifaninanana ity.

Fitia (Mpianatra asa)

Vondrona tamin’ity fifaninanana ity :
Toamasina :
Sava
Atsinanana
Itasy
Boeny
Fianarantsoa :
Vakinankaratra
Anosy
Atsimo Atsinanana
Atsimo Andrefana

Partager sur: