Anisan’ny hahafantarana ny minisitry ny Angovo sy akoran’afo, Ramaroson Andry, ny fankafizany ny fanatanjahantena, ankoatra izay ny fanampiana ny tanora hahomby amin’ny fiainana. “Coach en développement personnel” mantsy izy ka manampy ireo izay manantona azy hahita izay fahombiazana izay. Anisan’ireo tanora nanantona azy taorian’ireny vokatra tsara azony ireny, nandritra ny fifaninanana CHAN, ny mpilalaon’ny Barea, nisy an-dry Tsiry, i Carlos, i Jean Yves, i Rojobe ary ireo namany sasany niisa 10 teo. Nankasitraka azy ireo ny minisitra Ramaroson Andry, nanome fanampiana mba hahombiazana amin’ny fiainana fa tsy ny baolina kitra ihany.
Zanak’Andramasina ity minisitra ity ary rariny raha nanampy tamin’ny fikarakarana ny fandraisana an’i Tsiry, laharana faha-13-n’ny Barea tany an-toerana. Nisy ny fety nomaniny niaraka tamin’ny ben’ny Tanànan’Andramasina nandraisana ity mpilalao ity. Nikarakarany fety ihany koa ireo mpilalao sasany satria tsy mbola nifety ho azy ny vady aman-janany. Mendrika izany fandraisana izany ny mpilalaon’ny Barea, raha ny nambarany, noho ny ezaka nataon’izy ireo, nitondra avo ny voninahi-pirenena. Tsy vao izao no misy tanora sy mpanao fanatanjahantena nanantona azy fa efa maro.
Mi.Raz