Natsahatra tamin’ny andraikitra maha mpiahy ara-drariny na mediatiora azy ny Pr Andrianaivontseheno Ravaka. Nisaotra sy nankasitraka ny vahoaka malagasy manontolo tamin’ny fiaraha-mientana, ny fahatokisana ary ny fanohanana ny tenany. Nisaotra ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka koa tamin’ny fahatanterahan’ny asa.
Ny filohan’ny HCC no voalaza fa nitory ny radio Antsiva ka nampiantsoan’ny zandary eny Fiadanana ny talen’ny famoahana, Ismael Razafinarivo. Anisan’ny vesatra nitoriana azy ny fanalam-baraka ampahibemaso, ny famoahana vaovao tsy marina ary ny fankahalana… «Andrasana ny tohiny. Nilamina ny famotorana tao», hoy ny CTOJM.
Hanatanteraka ny filankevitra departemantaly ny antoko Leader Fanilo. Hotontosaina any Nosy Be izany, ao amin’ny misiona katolika any an-toerana, ny asabotsy tolakandro. Voalazan’ny fiantsoana sy fanentanana ny mpikambana fa hanamafy ny hoavin’ny antoko izao fihaonana izao.
Efa any Etazonia ny kaomisera Andrianirina Harinaivo Fanomezantsoa. Anisan’ny voafantina handray anjara amin’ny « International Visitor Leadership Program – IVLP » ny tenany. Anisan’ny hiompanan’ny fiofanana ny ady amin’ny fitrandrahana sy ny fanondranana an-tsokosoko ny harena voajanahary. Hisy koa fitsidihana tanàna maromaro any Etazonia.




