Raim-pianakaviana, teratany vahiny, namoy ny ainy tetsy By-Pass, omaly maraina. Nisosa tamin’ny arabe ny moto nentiny rehefa nikasa hisongona fiara teo alohany.
Nipitika teo afovoan’ny arabe, namoy ny ainy, ny teratany vahiny iray teny Androndrakely By-Pass, omaly maraina tamin’ny 7 ora sy 38 minitra. «Avy any amin’ ny lalan’i By-Pass hihazo ny Filatex ilay mpitondra moto », hoy ny fanazavana voaray avy amin’ny polisim-pirenena miasa eny an-toerana. Nikasa hisongona fiara teo alohany izy. « Somary mbola nisy zavona sy ranonando ka nalama ny lalana, tsy voafehiny ilay moto», araka ny angom-baovao. Nianjera tamin’ny arabe izy taorian’ny fifampikasohana teo aminy sy ilay kamiao niloko mainty teo akaikiny. Nipitika ny moto, nifatratra tamin’ny fiara nifanoha-dalana taminy.
Nanao aroloha ara-dalàna ilay vazaha tra-doza. Mafy ny dona nahazo azy ka vaky ra teo no ho eo ny lohany. Tsy afa-nialana nenina akory. Maty segondra vitsy taorian’ny loza nahazo azy. Moto lehibe antsoin’ny besinimaro « grosse cylindrée » no
nentiny.
Nandeha mafy
Raha ny fanazavana voaray tamin’ny olona teny amin’ny manodidina, izay nahita ny zava-nitranga, efa mandeha mafy sy tia mirifatra amin’ny moto ilay lehilahy niharan-doza io. Efa mpandeha matetika eny an-toerana izy talohan’ny fotoana nitrangan’ny loza. Nidina avy hatrany teny an-toerana, nijery ny zava-nisy sy nanao fanadihadiana, ny mpitandro filaminana. Nandrindra ny fifamoivoizana isorohana ny fitohan’ny fiara izy ireo.
Nentina nanaovana fanadihadiana any amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana moa ny mpamilin’ilay fiara nifandona tamin’ilay olona namoy ny ainy. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana. Ilaina hatrany ny fitandremana hisorohana ny tranga mahafaty tahaka itony.
Tsiferana R.




