Nitrangana haintrano indray tetsy tsaralalàna-Basta, omaly hariva tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany tany ho any. Trano iray, misy rihana roa sy efitra manodidina ny efatra, tany amin’ny rihana voalohany sy faharoa no kilan’ny afo tanteraka tamin’izany. Raha ny angom-baovao voaray teny an-toerana, tsy nisy olona tao amin’io trano nirehitra io. Nihidy avokoa ny trano hatramin’ny vavahady. Efa afo nivoaka avy tao amin’ny efitra iray, tao amin’ny rihana voalohany, no hitan’ny fokonolona. Nihitatra haingana tamin’ireo efitra hafa izany noho ny fitsokan’ny rivotra. Tonga teny an-toerana namono sy nifehy ny afo ny avy amin’ny vondrona mpamonjy voina, telo minitra taorian’ny antso. Tsy lavitra ny foiben’izy ireo ny tranga nahitana firehetana, saingy somary anaty tanàna ka niteraka fahasarotana teo amin’ny famonjena, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny olona eny amin’ny manodidina. Tsy nety nivaha ihany koa ny vavahady miditra amin’ny trano may ka voatery notsofaina izay nampananosarotra ny fidiran’ireo vondron’ny mpamonjy voina tao anatiny. Nanamafy ny eo anivon’ny mpamonjy voina fa nananosarotra ny famonoana ny afo satria tany amin’ny 200 metatra miala ny arabe ilay trano nirehitra. Na teo aza izany, efa nanomboka voafehy ny afo tamin’ny 8 ora alina latsaka fahefany tany ho any. Vokany, kilan’ny afo tanteraka ny trano sy ny entana rehetra tao anatiny. Marihina fa tsy nisy olona naratra na namoy ny ainy nandritra io loza io. Tonga teny an-toerana ihany koa ny polisim-pirenena manao fisafoana sy ny avy amin’ny Brigade criminelle, niezaka nifehy ny filaminana teny amin’ny manodidina.
Mino




