TSELATRA

Ankizivavy miisa roa, nisy naka an-keriny, hitan’ ny Polisim-pirenena ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahavalo Analamahitsy, teny Manjakaray, omaly tamin’ny 4 ora maraina. Niainga teny Ampasika izy roa, ny 9 jolay hariva ary nisy lehilahy sy vehivavy naka an-keriny azy ireo, raha ny vaovao voaray.
Lehilahy iray tratran’ny fokonolona nangala-jaza tetsy Anosimasina Itaosy, omaly. Notereny sy nosintominy teny amin’ilay renim-pianakaviana ny zazakely iray. Nambarany tamin’izany fa mila vola izy. Lehilahy iray no niaro ilay renim-pianakaviana sy ny zaza. Nanambara kosa ny havan’ito farany fa tsy salama saina ilay lehilahy.

Partager sur: