Hiroso amin’ny fivoriana tsy ara-potoana ny eo anivon’ny Antenimierampirenena. Anisan’ny mety hodinihina ny fitoriana ireo mpitondra ambony.
Nivoaka tamin’ny filankevitry ny minisitra, tamin’ity herinandro ity, ny fanaikana ity Andrimpanjakana ity hivory tsy ara-potoana. Nambaran’ny loharanom-baovao iray eny Tsimbazaza fa anisan’ny lahadinika amin’ny fivoriana, raha tsy misy ny fiovana, ny momba ny fitoriana mpitondra ambony. « Anisan’ izany ny momba ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Hatsangana amin’izao fivoriana tsy ara-potoana izao ny vaomiera manokana hanadihady momba izany », hoy ny loharanom-baovao. Mifototra amin’ireo fitoriana nataon’ny fikambanan’ny tanora Gen Z ny fiampangana sy ny fanenjehana ity filoha teo aloha ity eny anivon’ny Antenimierampirenena. Anisan’ny vesatra iampangana azy amin’izany, araka ny fitoriana, ny famadihana tanindrazana. Eo koa ny fisandohana andraikitra tamin’ny fahefana teo an-tanany ka nahatonga ireny fepetra samihafa noraisiny tamin’izany, indrindra manoloana ny hetsika sy fidinana an-dalambe ny septambra sy oktobra, ny taona 2025. Maromaro ny fandikan-dalàna sy fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana miverimberina tamin’ny fotoam-pitondran’ny filoha teo aloha, araka ny fitorian’ny Gen Z hatrany.
Vazaha!
Etsy andaniny, mbola niampy fisandohana andraikitra ny vesatra. Anisan’ny voakasika ny tsy fizakany intsony ny zom-pirenena malagasy. Manampy ireo ny herisetra sy ny fihetsiky ny mpitandro filaminana nanoherana ary nandravana ny hetsika notarihin’ny tanora manerana ny Nosy.
Araka izany, miandry ny fivoriana tsy ara-potoana ny momba io raharaha hanenjehana ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, io. Miankina amin’ny didim-panjakana avy amin’ny governemanta ny datin’ny fivoriana sy ny ho lahadinika amin’izany.
Synèse R.
Araka ny vaovao farany voaray, tsy raikitra ny fivoriana tsy ara-potoan’ny depiote. Mbola hifantoka amin’ny fandraisana ny fihaonana miaraka amin’ny iraka manokanan’ny SADC ny tomponandraikitra isan’ ambaratongany. Aorian’izay vao hiara-kidinika ao Tsimbazaza ny solombavambahoaka.




