Anio 11 jolay ny Andro afrikanina ho an’ny ady amin’ny kolikoly. Ho fankalazana izany, notokanan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, tany Toamasina, omaly ny biraom-paritra vaovaon’ny Bianco. Lohahevitra ny hoe: “Fanamafisana ny fampiroboroboana ny rariny sy ny ady amin’ny kolikoly aty Afrika”. Nofidina nampiantrano ny hetsika i Toamasina noho izy renivohitry ny toekarena. “Anisan’ny sakana lehibe indrindra amin’ny fampandrosoana ny kolikoly. Miandrandra vokatra tsara avy amintsika ny vahoaka”, hoy ny Filohan’ny Fanavaozana tamin’ireo tomponandraiki-panjakana tonga tany an-toerana. Niantso ny rehetra hiara-kiasa amin’ny ady amin’ny kolikoly izy. Ny fampihenana sy fanafoanana izany no antoky ny fampandrosoana ny firenena.
Tsy andraikitry ny Bianco na ny fitondram-panjakana irery ny ady amin’ny kolikoly fa miainga amin’ny fanovana ny toe-tsain’ny tsirairay. Raha mbola misy manodinkodina sy manararaotra ny vahoaka, hitohy ny kolikoly. Noho izany, tsy maintsy miara-miasa amin’ny famongorana izany ny rehetra. Anisan’ny fototry ny olana sy ny korontana eo amin’ny fiarahamonina ankehitriny ny fitiavam-bola tafahoatra. “Sambany izao no nisy filoha niaraka taminay hanamarika ny Andro natokana ho an’ny ady amin’ny kolikoly”, hoy ny tale jeneralin’ny Bianco, Razakamanantsoa Gaby Nestor. Mampiseho fanoloran-tenan’ ny fitondram-panjakana amin’ ny ady amin’ny kolikoly izany.
“Raha izaho no tsy tiana dia vonoy aho, fa aza kitihina ny zaza malagasy. Tsy handefitra amin’izany aho”, hoy kosa ny Filohan’ny Fanavaozana momba ny fahaverezana sy fahafatesan’ankizy etsy sy eroa. Tsy handefitra amin’izay voampanga amin’izany asa ratsy izany izy, na iza na iza, na fikambanana ao ambadik’ izany.
R. Nd. sy Sajo




