Nohitsin’ny fanambaran’ny Tim fa mampivarahontsana ny famonoana olona, halatra olona, herisetra, fampihorohoroana… « Miantso ny fitondram-panjakana izahay amin’ny fametrahana fepetra hentitra hampitsaharana izao zava-misy izao », hoy ny fanambarana nosoniavin’ny sekretera jeneralin’ny Tim, Randriamasinoro Ny Riana.
Hanaratsy endrika antsika ny tanjon’ny sasany manoloana izao toe-draharaha izao, araka ny nambaran’ny depiote, Ramananarivo Orlando, omaly. Nohitsiny fa tsy tokony hatao sorona ho an’ny tombontsoa politika ny ain’ny vahoaka. « Tsy azo ekena izany. Mazava ny azy ireo fa hanehoana amin’ny iraisam-pirenena ny tsy filaminana eto », hoy izy.
Nambaran’ny depiote, Randrianasoloniaiko Siteny fa tsy mijaly intsony ny mpiasam-panjakana. Tafaverina amin’ny laoniny toy ny tamin’ny Repoblika voalohany ny hasin’izy ireo. « Afaka mihinana sakafo intelo isan’andro ny mpiasam-panjakana taorian’ireny fampakarana karama sy fanomezana tambin’ny hofan-trano ireny », hoy izy.
Hohamafisina ny fiaraha-miasa diplaomatika sy parlemantera eo amin’i Ejypta sy i Madagasikara. Nivoitra izany tamin’ny fanamarihana ny faha-74 taonan’ny Revolision’ny 23 jolay 1952 ho an’ny Repoblika Arabo Egypsianina, omaly. Nitarika izany ny masoivoho, Rabab Abdelhadi. Nisolo tena ny Antenimiera ny depiote Raharimanarivo Voahangy.




