Nohamafisin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenena (HCC), ny 25 janoary teo, fa mifanaraka tsara
amin’ny Lalampanorenana ny tolo-dalàna mitondra fanovana ny sata mifehy ny tobim-panafody (Dépôt de médicament). Voakasik’izany ny sata mifehy ny fahasalamana efa nankatoavin’ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona, momba ny toeran’ny tobim-panafody eken’ny lalàna. Voalaza ao anatin’ny fanovana fa tsy tokony hiala amin’ny toerana misy azy ny tobim-panafody efa nisy teo aloha na tonga aza ny fivarotam-panafody na farmasia aty aoriana. Etsy ankilany, tsy azo ametrahana tobim-panafody koa anefa ny 10 km manodidina ny toerana efa misy farmasia.
Raha tsiahivina, ny solombavambahoaka Voninahitsy Jean Eugène no nanolotra ity tolo-dalàna ity teny amin’ny Antenimieram-pirenena, nandritra ny fotoam-pivoriana ny taona 2021, saingy notoherin’ireo farmasiana ny fandinihana azy. Nodinihina ihany anefa izany taorian’ny fifandresen-dahatra ary lany 98%. Nalefa tany amin’ny Antenimierandoholona ary lany ihany koa.
Araka izany, mihatra sady manan-kery avy hatrany ity lalàna vaovao ity, taorian’ny fanapahana nataon’ny HCC, ny 25 janoary 2023 teo.
Njaka A.