Vola vahiny : nahazo aina kely ny Ariary

Miha mahazo aina kely hatrany ny sandam-bola Ariary tato anatin’ny iray volana farany, miohatra
amin’ny vola Euro sy ny do­lara. Araka ny antontanisan’ny Banky foiben’i Madaga­sikara (BFM), nisanda 4.549 Ar ny 1 Euro ny 17 febroary 2023 teo, raha efa 4.700 Ar tamin’ny 17 janoary. Nidina ho 4.288 Ar kosa ny 1 dolara raha 4.359 Ar ny 17 janoary.
Anisan’ny miteraka fidangan’ny vidim-piainana sy ny vidin-javatra ny fitotongan’ny sandam-bola. Satria mitombo ny vola Ariary hividianana ny vola vahiny hanafarana ny entana avy any ivelany, izay manodidina ny 75%. Miakatra koa azy noho izany ny hivarotana azy ireny eto amin’ny tsena anatiny. Hanamarinana izany, nahatratra 9,3% ny fidangan’ny vidim-piainana ny taona 2022, araka ny antontanisan’ny Tahirimbola iraisam –pirenena (FMI). Io no taha ambony indrindra teto Madagasikara, raha manodidina ny 6% ny fidangan’ny vidin-javatra amin’ny ankapobeny.

Njaka A.

Partager sur: