Angovo: hitombo 1.000 MW ny herinaratra vokarina

Nitondra ny vinan’ny fanjakana mikasika ny angovo ho an’ny rehetra ny filoha Rajoelina, nandritra ny loabary an-dasy natao any Addis-Abeba Etiopia. Lohahevitra ny hoe «Fiarovana ny hahazoan’ny rehetra herinaratra», izay fivoriana andiany faha-36, nihaonan’ny filoham-panjakana sy ny lehibe governemanta ao anatin’ny Vondrona Afrikanina, nisokatra omaly 18 febroary.
Nilaza ny filoha malagasy, fa mbola ambany ny tahan’ny mponina misitraka herinaratra na dia manan-karena loharanon’angovo aza ny kaontinanta afrikanina. Fanoitra ho an’ny fampandrosoana anefa ny fisitrahan’ny vahoaka herinaratra.
Ho an’i Madagasikara, vahaolana voalohany noraisina ny fametrahana tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro. Kendrena ny hamokarana herinaratra 50 MW azo avy amin’ny masoandro amin’ny tanàna miisa 36 amin’ny distrika 119. Tanjona ny hananana «parcs solaires» manerana ny distrika afaka taona vitsy. Misy ny fizarana «kits solaires» miisa 2 tapitrisa hiarahana amin’ny Banky iraisam-pirenena.
Ho an’ny lavitr’ezaka, misy ny fananganana toby mamokatra herinaratra avy amin’ny tohodrano, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola, ka hitombo ho 1.000 MW ny famokarana herinaratra hatramin’ny taona 2028.

Njaka A.

Partager sur: