Mpiala sasatra tany Toamasina : Ankizivavy 13 taona natelin’ny ranomasina

Nitrangana lozan-dranomasina ny fiatombohan’ny fialantsasatra any amin’ny faritanin’i Toamasina. Ny zoma lasa teo, ankizivavy 13 taona no natelin’ny ranomasina re­hefa nilalao rano teny amoron-dranomasina. Nifanan­drify tamin’ireo toerana natao fisotroana sy fipetrapetrahana ny nisehoan’ny loza. Ankizy mpanao vakansy maromaro no niaraka nilalao rano tamin’io andro io, tokony ho tamin’ny 4 ora tolakandro tany ho any. Somary lasa tany amin’ny lalina ny iray tamin’izy ireo. Namonjy nisintona azy io ny iray tamin’ireo ankizy teo akaikiny. Niha nilentika anefa ilay iray lasa tany amin’ny lalina ka tsy avotra intsony, lasan’ny rano. « Toy ny misy hery misintona izy ka tsy voaavotra», hoy ny fanazavana. Niantso vonjy izy ireo taorian’izay, ary nikoropaka ny olon-drehetra teny amin’ny manodidina. Nampandrenesina ny mpamonjy voina sy ny tomponandraikitra vantany vao niseho ny loza. Natao ny fikarohana nandritra ny alin’ny zoma tontolo, saingy tsy nahitam-bokany. Mbola nitohy ny sabotsy ny fikarohana ary hita natsingevan’ny rano tsy lavitry ny seranan-tsambo ny vatana mangatsiakan’ilay ankizivavy, tokony ho tamin’ny 6 ora maraina. Natao ny fizahana sy ny fikarakarana ny razana taorian’izay. Nentina niakatra aty an-dRenivohitra ny razana toarian’izay.
Amin’ny ankapobeny, olona vahiny mpiala sasatra avy aty Antananarivo matetika no maty alentiky ny ranomasina tahaka izao. Nambaran’ny tomponandraikitra any an-toerana fa ny tsy fanajana ny fady no antony mahatonga ny loza. Anisan’izany ny fihinanana henan-kisoa, amalona. Tsy azo atao ny mikasika ireo raha manam-paniriana ny hilalao ranomasina. Entaninana, ara­ka izany, ny mpiala sasatra maniry hitsidika ny toerana mba hanaja ireo fady apetraky ny tompon-tany, hisorohana ny loza tahaka izao. Marihina fa anisan’ny toerana be mpankafy ny mitsidika sy milalao ny morondranomasin’i Toama­sina.

Sajo /Mino

Partager sur: