Iza no tena ao ambadika sy tompon-kevitra ary ny tena atidoha? Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, manoloana ireo trangana fangalaran-jaza sy famonoana olona niseho tato ho ato. Manameloka ireny karazana habibiana ireny ity antoko naorin’Andrianainarivelo Hajo ity. « Takinay ny fanadihadiana lalina, hentitra sy haingana ary sazy henjana ho an’ireo tompon’antoka rehetra, na iza izy na iza », hoy ny fanambarana.
Nanterin’izy ireo fa efa mandray ny fepetra rehetra ny eo anivon’ny fitondram-panjakana sy ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana. Manantena ny eo anivon’ny MMM fa hitohy sy hahomby izany ezaka izany.
Etsy andaniny, nanentana sy niantso ny olom-pirenena rehetra koa ny antoko mba hiara-kiasa amin’ny manam-pahefana. « Aoka isika haneho firaisankina fa ady iombonana izy ity, ary tsy hanaparitaka vaovao tsy voamarina. Vao mainka mety hampitombo ny tahotra sy ny savorovoro eo amin’ny fiarahamonina izany”.
Tsy nohadinoin’ny antoko Malagasy miara-miainga koa ny naneho ny alahelony sy miara-ory amin’ireo fianakaviana namoy havana aman-tsakaiza. Nirary izy ireo mba ho hita soa aman-tsara ireo rehetra mbola anaovana ombay mitady, hatramin’izao.
Tsiahivina fa efa nanao fanambarana ny eo anivon’ny MMM, ny herinandro teo, ny handraisan’ny mpitondra fanjakana andraikitra anaty fotoana fohy manoloana izao toe-draharaham-pirenena izao.
Synèse R.




