Nanao antso avo ny filoha, ny Kly Randrianirina Michaël, tao Toamasina, ny herinandro teo ny amin’ny fiaraha-mientana hikarohana ireo nahavanon-doza namono zaza. « Tohizonareo tanora ny fitiavan-tanindrazana. Mety manana vaovao ianareo momba ireny tranga ireny. Aza manaiky ampiasaina hanakorontana », hoy izy.
Hentitra ny fanambaran’ny eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana manoloana ny fisavana trano tato ho ato. « Tsy nisy naniraka na iza na iza hampanao fisavana », hoy ny fanambarana. Tokony hosamborin’ny manampahefana ireo mitonona ho manao izany, satria mpisandoka, araka ny fanambarana hatrany.
Naneho ny heviny ny mpitondra tenin’ny fiadidiana ny Fanavaozana, i Harry Laurent Rahajason, fa azo samborina avy hatrany ireo mitonona ho iraka avy aminy na mpanolotsainy, izay mitaky vola sy manao fampihorohoroana aman’olona. Nambarany fa misy voatazona tokoa eny Fiadanana, saingy noho ny hetsika fanakorontanana.
Nohavaozina ny tambim-pivezivezena sy ny tambin-karama amin’ny iraka ho an’ny mpiasam-panjakana, araka ny fampahafantarana nataon’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Asa, ny fampanana asa ary ny asam-panjakana. Mihatra nanomboka ny 12 jona teo izany. Tsiahivina fa efa nakarina ny karama farany ambany eo amin’ny sehatra tsy miankina.




